Famonoana an’i Allan: “Efa niaiky heloka ilay noahiahina”

Anatin’ny fanadihadiana lalina tanteraka ny eo anivon’ny polisy misahana ny ady heloka bevava momban’ny fahafatesan’ilay zazalahikely. Nanomboka ny zoma alina, hatramin’ny alahady hariva, efa tafakatra enina ireo nalaina am-bavany ary notazonina teny anivon’ny BC, araka ny loharanom-baovao voaray. Nanamafy ny renin’i Allan fa tsy maintsy ho tratra ny nahavanon-doza. “Misy tokoa ny olona noahiahiana nanao ny famonoana ary efa niaiky heloka izy”, hoy ny renin’ilay zaza, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana.
Andrasana kosa ny valim-panadihadiana ataon’ny eo anivon’ny mpitandro filaminana misahana ny raharaha. Raha tsiahivina, niditra avy nilalao teny an-tokontany i Allan ny alin’ny zoma teo no sendra ireo jiolahy nitady an-dreniny tao an-trano. Efa tapitra maty ny jiro ka notapenan’ireo olon-dratsy ny vavany. Novonoin’izy ireo tamin’ny alalan’ny tsatok’antsy ilay zaza, fotoana vitsy taorian’
izay. Niezaka nanavotra azy ny anabaviny saingy noteren’ ireo jiolahy tamin’ny varavarana ny tanany ka tapaka. Nirifatra nandositra ireo tsy mataho-tody avy eo. “Hivaly ato ho ato ny autopsie. Ha­nampy ny mpitandro filaminana amin’ny fanadihadina” araka ny namafisin’ny rain’ny zaza. Mitaky ny hampiharana ny lalàna ho an’ny nahavanon-doza ity farany. “Aoka tsy hanameloka olo-marina fa hampihatra ny sazy amin’izay nahafaty ny zanakay”, hoy izy. Efa tonga tany Antsirabe io omaly io ny razana.

Tsiferana R.

Partager sur: