Anisan’ny miantoka ny toekarem-pirenena ny lalana any anivon’ny distrika, indrindra fa ny lalam-pirenena. Avy amin’io fotodrafitrasa io ny hamaritana ny fotoana lany, ny saran-dalana fandefasana entana, eraky ny tanàna.
Kajian’ny mpandraharaha avy amin’izany lalana izany, indrindra ny masonkarenany rehetra sy ny tombom-barotra ho azy. Amin’ ny maha Nosy an’i Madagasikara, ny fitaterana ana habakabaka sy an-dranomasina no miantoka ny fifandraisana any ivelany, ny eto an-toerana kosa, ny fitaterana an-tanety no be indrindra, ny fitaterana an-dalamby zara raha misy Antananarivo –Toamasina, ary anaran-tsy very sisa Fianarantsoa –Manakara (FCE).
Mamono antoka ny mpandraharaha anefa ny fitaterana an-tanety, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Nefa tsy maintsy atao, ary mampiakatra ny vidin’entana. Salanisa aty atsimon’i Afrika, 37 km vita tara isaky ny km2, eto Madagasikara, 9,7 km isaky ny km2 tany amin’ny 10 taona lasa, ary ankehitriny azo antoka fa latsak’izay ny lalana azo lazaina hoe “tsara” eto Madagasikara, raha zahana daholo ny lalam-pirenena rehetra. Ny lalamby moa tsy nisy fanamboarana nandritra ny 70 taona, fa izay mbola napetraky ny Frantsay tamin’ny fanjanahantany ihany.
Miantraika goavana amin’ny fitaterana eto an-toerana ny faharatsian’ny lalana sy ny vola lany amin’izany. Mitombo 50 % ny gazoala lanin’ny fiara vaventy iray Antananarivo-Toamasina amin’izao fotoana izao. Amin’ny ankapobeny, mitombo toy izay koa ny fandaniana amin’ny kojakoja samihafa, tsy lazaina intsony ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana matetika. Any amin’ny tanàna rehetra saro-dalana, manatombo 100 % na mahery ny lany raha miala avy ao Toamasina ny entana.
Tsy maintsy mandalo eto an-dRenivohitra
Raha entana avy eto Madagasikara ihany, betsaka no tsy maintsy mandalo eto an-dRenivohitra raha ho any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, miantoka ny 95 % ny entana alefa any ivelany. Mbola hafa raha orinasa tsy misy fitaterana, voatery miantoka fitaterana hafa, mampitombo ny masonkarena lany isan-kilao.
Anisan’ny mampitontongana ny toekarena eto Madagasikara ny tsy fisian’ny fikarakarana ny lalam-pirenena. 1000 km ny lalana simba isan-taona, indrindra nanomboka tamin’ny taona 2000 ka hatramin’izao. Nisy ihany ny fanamboarana fa kitoatoa tsy manara-penitra raha ny faharetany.
Nampanantena ny minisiteran’ny Asa vaventy fa hanome 78 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena hanamboarana lalam-pirenena maro. Ho an’ny RN2 manokana, tokony efa manomboka izao ny fikarakarana, rehefa nampiaka-peo ireo mpitatitra.
Ndrina