Nisitraka fitaovam-piadiana ahafahany manamafy ny fandriampahalemana ny eo anivon’ny polisim-pirenena.
Notanterahina teny amin’ny Fip Antanimora, ny alakamisy 09 febroary 2023, ny fanaovan-tsonia teo amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) sy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Fanomezana basy sy vanja avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny antony. Naneho fisaorana manokana ho an’ny MDN, ny Jly Rakotonirina Richard ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny Contrôleur Général de police Randrianarison Fanomezantsoa noho ireto fitaovana vao azo ireto. Fisaorana lehibe no atolotra tamin’ny fanomezana fitaovam-piadiana avy amin’ny MDN ho an’ny polisim-pirenena. “Tena miasa ary ilaina ny fitaovam-piadiana toy izao izay entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena”, hoy ny MSP. Voafaritra amin’ny toromariky ny filoham-pirenena mba hametrahana fandriampahalemana maharitra eto amin’ny firenena izao ka rariny sy hitsiny raha isika ato anatiny ihany no mifanampy hitadiavana vahaolana maharitra momba izany, araka ny fanazavany. Endrika hita maso iarahan’ny mpisehatra rehetra eo anivon’ny filaminana miara-miasa izao. Hampiasaina amin’ny ara-drariny ireto fitaovana ireto mba hahafahan’ny vahoaka malagasy mihary am-pilaminana, hoy ny MSP. Nanamafy ny MDN fa mpitandro filaminana mifanome tanana mifankahazo ary miray fo no ilaina hiarovana ny firenena sy hampanjakana ny filaminana eto amin’ny Nosy. Manana ny fomba fijery hitovizana : ny fitandroana ny filaminana ary ny fametrahana tombontsoa ambonin’ny firenena. Anton’ izao fifanohanana ary fanomezana fitaovam-piadiana ho an’ny polisim-pirenena izao izany rehetra izany. Hampiverina sy hiarahana mitandro ny filaminana any amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy ireto fitaovam-piadiana ireto.
Jean Claude