Tsy nisy nahafantarana azy intsony, raim-pianakaviana iray hita faty natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina Ambanivohitra Fandriana, ny asabotsy 11 febroary teo. Olona sendra hanasa tanana no nahita zavatra hafahafa teo amin’ny rano. Nentin’ny hatairana, niantso avy hatrany ny manodidina izy. Rehefa nosarihana tao anatin’ny rano, olona efa namoy ny ainy ary nivontovonto izany. “Tsy fantatra intsony hoe iza io olona io noho ny fahasimban’ny razana”, hoy ny eo anivon’ny kaominina ao an-toerana. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny zandary. Nalevina ny asabotsy hariva ihany ny razana noho io fahasimbany io. Olona tsy lavitra ny fokontany kosa izy raha araky ny fanadihadiana nataon’ireo tomponandraikitra ao an-toerana. “Anatin’ny fanamarinana tanteraka izahay amin’izao fotoana raha toa ka fianakavian’ireo nilaza ho very havana nanomboka ny alarobia teo izy”, hoy ny fanamafisan’ny eo anivon’ny kaominina.
Tsiferana R.