Fanombohan’ny fiofanana : nanao dia an-tongotra niaraka ireo zandary USAD faha-29

Nanomboka omaly ny fiofanana ho an’ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra mandrafitra ireo hery manokana eo anivon’ny zandarimaria miady amin’ny asan-dahalo (USAD) andiany faha-29. Dia an-tongotra nampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy niarahan’izy ireo tamin’ny manamboninahitra ambony, ary manamboninahitra lefitra miasa ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (FIGN), notarihin’ny lefitra voalohan’ny kaomandin’ny FIGN, ny Kly Bory Alain Marius Hardyman ity fanombohan’ny fiofanana ity. Hatao amin’ny Centre national d’entrainement spécifique de gendarmerie nationale (CNES GN) Ambatolampy ny fiofanana. Taorian’ny fahatongavana tao amin’ny ivontoeram-panofanana, niroso tamin’ny fanokafana ny fiofanana ny Kly Bory Alain. Nisy ny toromarika nomeny ireto andiany ireto mba handray an-tsakany sy an-davany ny traikefa homena azy ireo ka azo hampiharina avy hatrany rehefa tonga any an-tsehatra izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: