“Tsy miady na amin’iza na iza izahay ben’ny Tanàna, fa izay olona vonona hitarika fampandrosoana amin’ny faritra Bongolava no iarahanay. Tsy miady amin’izay olona apetraky ny filohan’ny Repoblika izahay.” Io no nambaran’ny mpitondra tenin’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna, faritra Bongolava, ny ben’ ny Tanànan’i Bemahatazana izay 16 taona nitantana kaominina, Ramarosona Mbolatiana, tamin’ny lanonana fifampiarahabana, tao Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo, noho ny taona vaovao.
Tsy ny olona no miady, fa ny hevitra no tsy mitovy. Ny olona hanao fampandrosoana no iarahan-dry zareo, fa tsy izay tsy te hanao fampandrosoana. Hampivondrona ny Bongolava tena miezaka amin’ny fampandrosoana izy ireo, araka ny nambarany. Izay no ezaka tena goavana eo amin’ny distrika roa: i Tsiroanomandidy sy i Fenoarivobe. Hatramin’izay, lasa ankilabao ny distrikan’i Fenoarivobe. Misy ny ezaka hampiraisana ny kaominina roa tonta. Satria izay no maha Bongolava ny faritr’i Bongolava.
“Tsy ny politika no mafanafana, fa ny fitantana teo aloha tsy mitovy amin’ny fitantanana amin’izao”, hoy kosa ny governoran’ny faritra Bongolava, ny jeneraly Ramiaramanana Joseph. Mitaraina ny vahoaka fa misy tsindrihazolena mahazo azy. Efa ezahin-dry zareo miaraka ao amin’ny faritra Bongolava ny mandamina izany, araka izay azo atao. Dinihina ifotony ny olana, ary izay tokony hifampiresahana sy hifanampiana. Bongolava mandroso no tanjona.
Efa niravona ny disadisa any an-toerana? Nandray anjara tamin’ny fifampiarahabana ny ben’ny Tanàna 25 miaraka amin’ny mpanolotsainy avy. Teo koa ny fikambanana toy ny fikambanam-behivavy, ny fikambanan’ny foko 18…
R. Nd.