Herisetra : naratra ny lohany, folaka ny tanan’ilay ankizy novonoin-drenikeliny

Hatolotra ny fampanoavana ny renikely nahavita nanao herisetra tamin’ny zana-badiny. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Sambava, ny zoma teo, izy noho ny fandratrana sy famonoana ankizy. Ankizilahy 6 taona ity niharan’ny herisetra ity tao amin’ny fokontany Antsirabe Sambava. Nikia­kiaka nitomany ilay ankizy rehefa novonoiny sy nodarohany tao an-trano. Nandre izany ny olona manodidina teo an-toerana ka niantso polisy avy hatrany. Tonga teny an-toerana ny polisy ka voamarina tokoa ny zava-doza nataony. Naratra mafy teo amin’ny lohany ilay zaza. Tsy vitan’izay fa folaka ihany koa ny tanany havia noho ny vono mafy nianjady taminy. No­samborin’ny polisy ilay renikely raha nentina notsaboina kosa ilay niharam-boina. Niaiky ity ramatoa ity fa nanao herisetra tamin’ilay zana-badiny nandritra ny fanadihadian’ny polisy.

J.C

Partager sur: