Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile: “Tsy voahaja ny HCC momba ny governora”

“Raha nilaza ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), nangatahin’ny Ante­nimieram­pirenena sy ny fiadidiana ny Repoblika ny heviny momba ny governora dia nambarany hoe vonjimaika ihany io.” Izay ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean-Emile, momba ny mbola tsy fisian’ny fifidianana ny governoran’ny faritra hatramin’izao.
Tsy maharitra izany mandra-pahatonga ny fifidianana. Efa-taona izay, tsy nisy fifidianana izay governoran’ny faritra izay. Nanjary raiki-toerana maharitra ny vonjimaika. Ny maha hafa azy amin’ ny teo aloha, olona nofidin’ny filankevi-paritany ny governora teo aloha. Azo lazaina fa olom-boafidy ny governora tamin’ny fitondran’ny filoha Ratsiraka. Nanana filankevitra ny isam-paritany. Izany miaraka amin’ny ben’ny Tanàna sy ny solombavambahoaka no mpifidy vaventy nifidy ny governoram-paritany, araka ny fanazavany.

R. Nd.

Partager sur: