Tsara sitrapo japoney, nitondra anjara biriky teo amin’ny tontolon’ny Judo malagasy, nanomboka tamin’ny taona 2022, i Tomakazu Iwahori. Mbola hotohizany amin’ity taona 2023 ny fiaraha-miasa.
Anisan’ny angady nananana tamin’ny vokatra tsara nentin’ireo judokas malagasy niatrika fifaninanana iraisam-pirenena tamin’iny taona 2022 iny, ny traikefa ara-teknika nomen’ny manam-pahaizana Tomakazu Iwahori. Niara-nisalahy tamin’ny tale teknika nasionaly, Andriamasinoro Mamy, hatrany izy, nanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpikatroka malagasy. Mbola hotohizana bebe kokoa ny fifampizarana amin’ity taona 2023 ity, ka hampiavaka izany indrindra ny fizarana traikefa any amin’ ny faritra ivelan’Antananarivo. Raha ny fandaharam-potoana, hihazo an’i Toliara i Tomakazu Iwahori, ny 14 marsa izao ary hanome fampiofanana mandritra ny enina andro. Ho any Toamasina kosa izy hanohy ny fizarana, ny 8 hatramin’ny 14 mey izao. “Tomakazu Training Camp” ny anaran’ny fampiofanana hataony ka izy tenany mihitsy no hiditra an-tsehatra amin’ny fanomezana fanazaran-tena ireo judokas malagasy.
Mitarika ny ekipa nasionaly
Mialoha ny handehanany any amin’ny faritra, mitarika ny ekipa nasionaly sy manome fanazaran-tena manokana eny amin’ny AS Saint Michel Amparibe i Tomakazu Iwahori. Inefatra isan-kerinandro izy no mizara izay traikefany izay, ny alatsinainy, talata, alakamisy ary zoma. Tsy i Toliara sy i Toamasina irery ny hisitraka ny fifampizarana homen’ity tsara sitrapo japoney ity fa efa manomana ny fandehanany any amin’ny faritra hafa ihany koa amin’izao ny federasiona malagasin’ny Judo. Hisy ny “staring time” hiarahan’i Tomakazu Iwahori amin’ny mpanazatra nasionaly malagasy aorian’ny fidinany any amin’ny faritra. Tsiahivina, fiaraha-miasa amin’ny JICA Madagascar izao fifampizarana hoentin’i Tomakazu izao ho an’ny judokas malagasy.
Mi.Raz