Miharatsy ny toe-draharaha any Toliara II: vahaolana ny hanokafana ny orinasa Base

Miaina anaty tahotra ny mponina any amin’ny distrika Toliara II vokatry ny tsy fandriampahalemana satria tsy misy ny asa. Vahaolana hitan’ny kolonely Rabearilaza, ny hanokafana indray ny orinasa vaventy indostrialy Base Toliara, afaka manome asa anarivony ho an’ny mponina, sady hitondra fampandrosoana amin’ny lafiny samihafa.

Tandindomin-doza ! Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ny kolonely Rabearilaza, miaramila misotro ronono, fa mi­haratsy ny zava-misy any amin’ny distrika Toliara II. Antony, ny tsy fisian’ny asa, mitarika ny firongatry ny asan-jiolahy, indrindra any Tsiafanoky, Tsianisiha, Ankilmalinike, Andranobe, Belalanda, Maromiandra, Magnamby,… Miaina anaty tahotra tanteraka ny mponina, vokatry ny vonoan’olona mahatsiravina, ny halatr’omby, ny vaky fasana, sns.
Resy lahatra ny kly Rabearilaza, fa vahaolana amin’ireo ny fisian’ny asa matotra sy maharitra, mba ahafahan’ny isan-tokantrano mivelona. Izay no ilana ny orinasa vaventy indostrialy any an-toerana, toy ny Base Toliara izay efa nampiseho izany araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’andraikiny.

Hanome asa maherin’ny 4.500
Nohazavain’ity manamboninahitra misotro ronono ity, fa maherin’ny 4.500 ny asa mivantana sy tsy mivantana hiforona. Efa miisa 750 ny olona nomeny fiofanana tany an-toerana, miampy tanora 24 niofana momba ny harena an-kibon’ny tany nalefa tany amin’ny Base Titanium Kenya.
Nasiany teny koa ireo tetikasa sosialy marobe nataon’ity orinasa ity, toy ny fanorenana sekoly, toeram-pitsaboana. Eo koa ny fotodrafitrasam-pampandrosoana toy ny la­kandrano manondraka tanimbary, ny lalana, sns. Nomari­hiny fa aman-jatony tapitrisa dolara ny tetibola natokany any an-toerana amin’ireo sehatra ireo. « Efa vonona ny Base Toliara, nahavita fanadihadiana ilaina, ary nahazo ny fahazoan-dalana hiasa. Mankasitraka izany koa ny mponina eny ifotony », hoy ihany izy.

Mba hisitrahan’ny mponina ny fampandrosoana
Miantso ny fanjakana ha­nala ny fampihantonana ny Base ity zanak’i Toliara ity, izay afaka mitondra fampandrosoana an’Atsimo andrefana sy ny toekarem-pirenena. Iangaviany manokana ny filoham-pirenena hijery akaiky izany mba hisitrahan’ny mponina ny fampandrosoana.
Tsiahivina fa tsy izy irery no mitaky izany, fa miray feo aminy koa ireo sefo fokontany sy ny lefiny miisa 70, avy any amin’ny kaominina efatra ao Toliara II (Tsianisiha, Anki­limalinike, Manombo ary Marofoty).

Partager sur: