Mafanafana ny tontolo politika sy ny serasera ao anatin’izao zotram-pifidianana izao. Manana andraikitra goavana amin’izany ny radio, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
“Hiankinana andraikitra goavana isika amin’ity taona 2023 ity amin’ny maha fotoam-pifidianana azy. Amin’ ny alalan’ny radio no halalan’ny olom-pirenena ny fizotran’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana”, hoy ny hafatry ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, ho an’ny radio tamin’ny nanamarihana ny andiany faha-12 ny Andro maneran-tany ho an’ny radio, omaly.
Ny radio no halalan’ny mpifidy izay mety kandidà sy izay fandaharanasany. Eo koa ny fanentanana mba hazoto hanefa ny adidiny hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena hanatona ny fokontany amin’ izao. Toy izany koa ny hanentana fandrisihana ny mpifidy handray anjara amin’ny fifidianana samihafa rehefa tonga ny fotoana.
Anisan’ny mamolavola fanapahan-kevitry ny mpifidy ny vaovao na ny fanentanan’ny radio. Izay no azy ho matihanina hatrany amin’ny asa anatin’ny fanehoan-kevitra. Mifandray indrindra amin’
izao vanim-potoana izao ny lohahevitra noraisin’ny Unesco: “Onjampeo sy ny filaminana”.
Manana anjara toerana lehibe ny radio itondrana ny feon’ny olom-pirenena, ny fitarainany, ny maharary azy. Mbola goavana no ho izay ny anjara toeran’ny radio ivoizana fitoniana, filaminana, firaisankina eo anivon’ny fiarahamonina. Tsy mora izany. Izay no ilàna fanamafisana hatrany ny traikefa.
Malalaka ny fanehoan-kevitra
Mbola ny radio hatrany no be mpihaino indrindra maneran-tany. Toy izany koa eto Madagasikara, fa 500 no mandeha amin’izao. Tsy misy nakatona na iray aza hatramin’ny taona 2019 no ho mankaty. Maneho ny fahalalahan’ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery izany, indrindra ny radio. Maneho ny fisian’ny fahalalahana maneho hevitra indrindra koa izany, fahalalana miteny ary ny fahalalahana amin’ny asa fanaovan-gazety izay tsy afa-misaraka amin’ny radio. Eo ireo fandaharana famakafakana politika marobe, izay mandeha an-kalalahana amin’ny radio misy. Tsy mbola nandrara azy sady tsy manao sivana ny resaka sy adihevitra mandeha amin’ireny ny fitondrana ankehitriny.
Izay no ampahatsiahivana hatrany ny mpitantana sy ny mpanentana ary ny mpanao gazety ny itandroana toy ny anakandriamaso ireo fitsipika fototry ny maha matihanina. Mba tsy ho lasa fitaovana hanely vaovao diso, na hanakorontana saim-bahoaka, na hivoy fankahalana na fihantsiana na fanavakavahana amin’ ny endriny maro samihafa.
R. Nd.