Notanterahina ny alatsinainy 13 febroary 2023, teny amin’ny foibe toeran’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara na HVM, eny Andraharo Antananarivo ny fihaonana teo amin’ny filoha mpanorina ny antoko sy ny mpanara-dia azy. Fotoana nanaovana ny tafatafa sy resadresaka taorian’ny fahatongavan’ity filoha teo aloha ity teto Madagasikara, ny asabotsy 11 febroary 2023.
Nihaona teny amin’ny foibe toeran’ny HVM, ny fianakaviamben’ity antoko ity. Tazana nandritra ity fotoana ity avokoa ny lehibe mpitarika ny antoko. Isan’izany ny filoha mpanorina, Rajaonarimampianina Hery. Tazana tao ihany koa ny mpandrindra nasionalin’ny antoko, Rakotovao Rivo. Tafatafan’ny ray aman-dreny sy zanaka, fitaterana ny zava-nisy teto amin’ny firenena tao anatin’izay fotoana tsy naha teo ny filoha mpanorina ny antoko, nataon’ny mpanara-dia azy. Teo ihany koa ny fanaovana tatitra ny zava-bita isam-paritra nandritra ny fitondran’ny filoha Rajaonarimampianina Hery. Izay no nandrafitra ity fihaonana teny amin’ny foibe toeran’ny antoko HVM ity.
Lin (Mpianatra asa)