Rajaonarimampianina ho kandidà: miandry kongresin’ny HVM

“Misy rafitra mifehy ny antoko. Ny kongresy izany. Manaja ny rafitry ny antoko ny filoha Rajaonarimam­pianina filohan’ny antoko. Andrasana amim-pitoniana ny filazana izay fanapahan-kevitry ny kongresy izay”, hoy ny mpandrindra nasioanalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, omaly, ny amin’ny firotsa­han’ny filoha teo aloha hofidina filohan’ny Repoblika in­dray na tsia.
“Miandry isika rehetra fa latsaka loatra ny toekarena, simba ny fiarahamonina”, hoy izy. Iaraha-miaiky fa tsy ry zareo irery no mahita sy miteny izany. Mahamenatra, mampalahelo, mahatezitra indraindray fa isak’izay misy sehatra amin’ny fampitahana eo amin’izao tontolo izao isika, ampitahain’ny olona avy any amin’ny farany hatrany i Madagasikara.
Iza ny Malagasy afa-kitondra ity firenena ity tsy hanana hambom-po mba ha­narenana izany? Fanarenana aloha no hoentina eo, araka ny tenin’ny filoha Rajaonari­mampianina. Mihamihemotra i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Hanarina izany aloha no hatao, hitondrana ny tsaratsara kokoa. Tsy misy ny tonga lafatra. Tsy hampanantena zavatra tsy ho vita akory. Leon’izany ny olona. Tsy ny HVM ihany fa ny Malagasy rehetra.

R. Nd.

Partager sur: