Mitohy ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN 2), mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Ankehitriny, any Anjiro eo amin’ny PK 78 ny ampahan’ny asa atao, ka ao anatin’izany ny fandravonana ny lalana, ny fanotofana ny lavaka, ny fanokafana indray ny tatatra. Hiditra amin’ny fandrakofana godirao avy eo ny manaraka.
Tafiditra ao anatin’ny asa vonjy taitra izao hetsika izao, tanterahan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, vatsian’ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny vola avy ato anatiny na « Ressources propres internes » (RPI).
Tsiahivina fa anisan’ny tena ratsy ny lalana eo Ambanitsena hatrany Moramanga, miampy ny lavadavaka hatrany Antsampanana sy Brickaville.
Njaka A.