St valentin : mivoatra manaraka ny toetrandro ny fanomezana

Fotoana iray hanamarihana ny andron’ny mpifankatia anio. Toy ny isan-taona, samy manao izay ho afany ireo mpivarotra misarika ny mpanjifa hividy fanomezana hatolotra ny olon-tiana.
Mivoatra manaraka ny toetrandro ny karazana fanomezana atolotra. Mbola eo foana anefa ny voninkazo raozy izay atolotry ny lehilahy ny vehivavy matetika. Fa eo indrindra koa ireo misafidy fanomezana maharitra amin’izao fotoana toy ny firavaka voasokitra anarana na sary fo. Efa maro isafidianana rahateo izany ankehitriny. Ny sasany misafidy ny akanjo mitovy na mari-pahatsiarovana hafa misongadina.
Feno famandrihan-toerana ho an’olon-droa ny ankamaroan’ny toeram-pisakafoana. Fotoana iray iarahan’ny mpifantakia mivoaka kely miara-misakafo amin’ny toerana milamina sy tony ihany koa ny fetin’ny mpifankatia.
Maro ireo karazana fampisehoana takariva hisarihana ireo mpifankatia ary be mpamandrika ny toerana amin’izy ireny.
Hita ho misongadina eny amin’ny fiarahamonina sy amin’ny tambajotran-tseratsera ihany koa fa zary lasa fisehosehoana ivelany ny fanamarihana ity andro ity. Lasa fifaninanana mihitsy aza ho an’ ireo tanora ka izay mahatolotra fanomezana tsara no heverina ho tena mampiadana.
Tsy azo odian-tsy hita ireo maro an’isa tsy manamarika akory ny andron’ny mpifankatia satria variana amin’ny fitadiavana na tsy dia manisy lanjany loatra izany.

Tatiana A

Partager sur: