Tsy ho voapempo lava !

Miaina anatin’ny tontolo politika mangina tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Eny amin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera no handrenesana na ahitana don-tandroka sy fifampihantsiana, miharo fanaratsiana isan-karazany. Tsy misy mipika ny feo amin’ny kajikajy ataon’ny ankolafin-kery samihafa. Ny fanomanana kongresy etsy sy eroa no mafotaka sy mahoraka. Anatin’ny paikady ho enti-miatrika ny fifidianana avokoa izany. Ny Ceni rahateo efa namoaka tolo-datim-pifidianana.
Etsy ankilan’izany, tsy azo hodian-tsy hita ity vidim-piainana, midangana andro aman’alina ity. Mampiteny ny moana ny vidim-bary izay mahatratra 1000 Ar ny kapoaka. Efa tsy anatin’ny foto-tsakafon’ny Malagasy intsony. Mivelona amin’ny sakafo mora sy tsy ara-pahasalamana ny vahoaka. Mihinana ambany foitra, mba ho fitazonan’aina. Mampikaikaika ny vidin-javatra rehetra saingy tsy misy mpanao politika, na mpitarika mba mahasahy mijoro, miaro ny vahoaka. Toa bibilava sinambotra ankizy ny vahoaka tsy mandady harona, tsy tongotra hanipaka tsy tanan-kandrangotra.
Tena efa voapempo ny sarababen’ny olona. Misafidy ny mangina sy ny miaritra ny dona mafy mahazo azy. Aiza koa moa ny hery ho enti-mitolona e ! Ny angovo ho enti-mitady mihitsy no efa tsy misy. Sintonina ihany ny lakolosy, na toa mitory teny an-efitra aza. Toa rano raraka am-bolon-gisa ny hiakiaka atao amin’ny mpanao politika. Variana amin’ny ady seza sy tombontsoa ny mpikatroka. Tsy mahagaga raha ny efa mpanohitra taloha no lasa mpitondra, na ny mifanohitra amin’izay. Toa fananan’olom-bitsy sy sehatra voafaritra manokana ny fitondrana. Izay tsy ao anatiny dia miara-mandray ny kihony ety ivelany.
Ampahatsiahivina anefa, tompon’ny teny farany amin’ny zava-drehetra eto Madagasikara ny vahoaka. Tokony mahasahy mijoro araka izany. Marina fa biby tsy manan-doha tsy mandeha kanefa nahoana isika no mahay mamorona hetsika tampoka rehefa misy zavatra tiana sy hialana voly ? Mba mahavariana tokoa anie, fa raha amin’ny sehatra matotra sy mety hisy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandron’ny olona ny resaka atao, tsy mahaliana azy ireo. Mety vokatr’ilay kolontsaina zatra toloram-potsiny sy miandry mahazo angamba no mahatonga izany ! Mila fiovana sy fahatsapan-tena goavana izany avy amin’ny herivelona rehetra eto Madagasikara. Tsy ho vita anio na rahampitso anefa fa ilay finiavana hanomboka no zava-dehibe. Miala amin’ilay toe-tsaina voatsindritsindry lava. Mila mifoha ny Malagasy !

r.r

Partager sur: