Na ny endriny fotsiny aza (eo amin’ny sary), mampihoron-koditra ny olona! Mitohy ny fanadihadiana, ataon’ny polisy ao amin’ny CSP2 Ambohijatovo, ilay jiolahy tratra namaky tranon’olona teny Faravohitra, afakomaly. Tratra teo am-pamakiana tranon’olona izy tamin’io fotoana io. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy, ny alahady tamin’ny 11 ora sy 45 mn alina tratra teo am-pamakiana trano iray ity jiolahy ity. Mbola tratra teny aminy avokoa ny entana halatra rehetra. Nahitana vilany miisa dimy, finday miisa efatra ary vola mitentina 45 500 Ar. Nikasa hitsoaka izy tamin’io fotoana io, saingy efa voatazon’ny polisy. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanohizana ny fanadihadiana. Nametraka fitoriana ireo olona niharan’ ny fandrobana. Tsy ny vaky trano ihany no isan’ny mahazo vahana eny Faravohitra fa ny fanendahana anaty fiara sy elakelan-trano. Maro ireo mpianatra sy mpivavaka mandeha tohatoha-bato no lasibatr’ireo jiolahy. Efa misy ny paikady sy lamina napetraky ny polisy amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy ka izao nahitam-bokany izao.
Jean Claude