Voalaza saika hanendaka: lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray no maty nodoran’ny mpianatra velona, omaly. Voalaza fa saika hanendaka sy handroba niaraka tamin’ny basy vita gasy, tanatin’ny faritry ny oniversite izy.

Raikitra ny tabataba. Nahoraka tao amin’ny “campus” Maninday-Toliara omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina teo. Lehilahy iray no niharan’ny fitsaram-bahoaka rehefa saika hanendaka mpianatra tao an-toerana. Ny alahady teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina, nifanena tamina mpianatra telo lahy ity jiolahy ity. Nitondra basy vita gasy izy ary nampitahotra an’izy telo lahy tamin’ izany. Tsy vitan’
izay fa mbola saika haka ny rojo volafotsy teny amin’izy ireo. Tsy nipoaka anefa ilay basy ka niantso vonjy izy telo lahy. Vokany, nirohatra na­monjy ireo namany ireo mpianatra ka tratran’ny tambabe ilay jiolahy. Naratra mafy izy ary tapitra ny ainy, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Taorian’io, nodorana tamin’ny kodiarana sy solika izy ary kilan’ny afo tanteraka. Tokony ho tamin’ny 02 ora maraina teo, tonga teny an-toerana ny zandarimaria nijery ny zava-nisy. Nisokatra nanaraka izay koa ny famotorana ny raharaha. “Hatra­min’izao, tsy misy ny olona voasambotra tamin’ity tranga ity”, raha ny fanazavana voaray. Araka izany, tsy fantatra ny mombamomba ilay maty, tsy mbola nisy havany ihany koa tonga teny amin’ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fizahana, nomena ny kaominina hohalevona ilay vata-mangatsiaka

Leo
Isan’ireo lasibatry ny asan-jiolahy matetika ny mpianatra ao amin’ny “campus” Maninday. Antony voalaza fa nitarika ity fitsaram-bahoaka ity. Voalaza ihany koa fa nisy namany ity jiolahy maty ity saingy tafaporitsaka tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Ao koa ireo nilaza fa nisy mpangalatra tratra ny asabotsy tao amin’ity oniversite ity. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka izy saingy tonga ny mpitandro filaminana sy ny fianakaviany. Vokany, na­petraka eo am-pelatanan’izy ireo ny raharaha. Tsiahivina fa faritra arovan’ny mpianatra ny “campus” misy azy ireny. Efa maro ireo jiolahy tratra sy voasambotra tamin’ny asa ra­tsiny. Ao koa ireo tsy namelan’izy ireo raha tsy maty.

Henintsoa Hani

Partager sur: