Nifanenjehan’ny fokonolona, voasambotra ny lehilahy iray nangalatra moto tetsy Ampahibe, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nihevitra azy ho tsy nisy nahita, natosik’io mpangalatra io ny moto BWS. Nivoaka tampoka anefa ny tompony. Hatairana ny an’ity farany tsy nahita intsony ny moto teo amin’ny toerana nisy izany. Tetsy ankilany, niezaka namelona ilay moto ilay olon-dratsy saingy tsy nety velona ity kodiaran-droa nangalariny. Efa nirodorodo ireo fokonolona nanenjika azy ka navelany ilay moto. Nanao tongotra an-katoka izy kinanjo voasambotr’ireo vatan-dehilahy nanao ny fanarahan-dia. Nisy ireo nikasi-tanana noho ny hatezerana. Nampanaovin’ ireo nahasambotra azy sazy tamin’ny alalan’ny kotrana miaramila io mpangalatra io talohan’ny nitondran’izy ireo azy teny anivon’ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.