Ampasanimalo : lehilahy iray mpibata entana tratra nanendaka

Naiditra am-ponja omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’an­toka tamin’ny fanendahana olona eny amin’ny faritr’Am­pasanimalo. Ny polisin’ny kaomisarian’Ambohijatovo (CSP2) no nahasambotra ity jiolahy ity teny Ampasani­malo. Tamin’io fotoana io, nisy nihoraka teo anelakela-trano Colisée Ampasanimalo fa nisy mpandalo voaendaka. Teo am-pitsoahana izy no nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana ka raikitra teo ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra anefa izy dia tratra. Hita tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy ny finday avolenta iray izay nohamarinin’ilay niharan’ny asa ratsiny fa tena azy tokoa. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny po­lisy no nahafantarana fa mpitaona entana monina eny Ambatoroka ity jiolahy tratra ity. Nametraka fitoriana avy hatrany ny tompon’ilay finday ka niakatra fampanoavana ny raharaha ary niafara tamin’ny fampidirana am-ponja.

J.C

Partager sur: