Maty rotiky ny balan’ny zandary, omaly, i Sirama, dahalo anisan’ireo mampitondra faisana ao Antsohihy. Tokony ho tamin’ny 03 ora maraina teo, nifanjevo ny zandarimaria sy ireto olon-dratsy. Tafaporitsaka nandritra izany ireo roa lahy namany raha lavo kosa ity dahalo ity. Malaza amin’ny halatr’omby, fanafihana mitam-piadiana ary mpanakan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena i Sirama, hoy ny zandary ao an-toerana. Tsiahivina fa nisy trangana tsy fandriampahalemana teny amin’ny lalam-pirenena fahenina, ny herinandro teo. Nidina ifotony ny vondron-tobim-paritr’Antsohihy nanao fanadihadiana. Vokany, tratra tao amin’ny kaominina Ambodimandresy ny lehilahy. Fantatra fa eo anelanelan’Antanambao Avaratra sy Antsaribao ny toerana lalovany sy fanaovany ny asa ratsiny. Mbola anisan’ireo lasibatr’ity dahalo ity koa ireo mpiara-monina ao Andrevorevo sy Marovatanza, dis-trikan’Analalava. Nokarohina fatratra izy tamin’izay ka mbola nanohy ny asa ratsiny saingy izao lavo izao.
Henintsoa H.