Manatanteraka ny vinan’ny FJKM “Fiangonana maitso, Sekoly maitso” ny sekoly FJKM rehetra manerana ny Nosy. Hanatanteraka fambolen-kazo eny amin’ny sekoly FJKM Mahitsy sy eny Mananjara izy ireo ny 24 febroary izao.
Miavaka ny karazan-kazo hambolena amin’izany satria ireo hazo voafantina sy tsara voatra ho endriky ny tanàna no hovolena. Eo koa ireo hazo fihinamboa haingam-pitombo ka ao anatin’ny 3 volana dia efa mitondra vokatra.
Natao hanatsarana ny tanànan’ny sekoly FJKM Mahitsy ny hazo volena. Hampitomboana ny fidiram-bola maharitra ho an’ny sekoly kosa ny hazo fihinamboa izay tarigetran’ny sekoly mihitsy ankehitriny.
Efa nisy ny vokatra azo tsapain-tanana tamin’ity hazo fihinamboa ity natao tany amin’ny sekoly Ambatomanga tamin’ny taona 2020 ary tena nahomby, araka ny fanazavan’ ny tompon’andraikitra voalohan’ny sekoly FJKM, Rakotondranaivo Domoina.
Etsy andaniny, misy ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina Mananjara Mahitsy mifanindran-dalana amin’izany. Hisy ny fanampiana ny sekoly ao an-toerana hanehoana ny fijoroana vavolombelon’ny sekoly Mananjara.
Tatiana A