Fiofanana any Chine : hanainga ny andiany voalohany

Milamina ny fandehanan’ny atleta malagasy hiofana any Chine. Tapaka fa hanainga, ny 16 febroary izao, ny andiany voalohany, ahitana ny avy eo anivon’ny taranja atletisma sy ny mpibata fonjamby. Ha­naraka azy ireo ny 17 febroary kosa ny andiany faharoa, ahitana ny avy eo anivon’ny taranja Badminton sy ny tenisy ambony latabatra. Miisa 51 mianadahy ireo atleta malagasy hihazo an’i Chine ireo ary mbola misy atleta 30 mahery ankoatra ireo hisitraka fampiofanana ivelan’i Madagasikara, raha ny fanamafisam-baovao azo teny anivon’ny minisiteran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena. Ho fantatra miandalana ireo hihazo an’i Bulgarie sy Kenya, raha ny fanazavana hatrany. Ny faran’ity volana febroary ity kosa no kasaina hanombohan’ny fanatsarana sy fanamboarana ny fotodrafitrasa mbola tsy vita. Hifandinihana amin’ny federasiona sy ny komity olympika malagasy kosa ny fampivondronana izay hanomboka tsy ho ela.

Mi.Raz

Partager sur: