Manao vaindohan-draharaha ny ady atao amin’ny aretina androbe ary manana paikady enti-miasa ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny olona voan’izany aretina izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Nametraka iray volana hiadiana amin’ny androbe ny minisitera izay nanomboka ny 13 febroary teo , daty anamarihana ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny aretina androbe. Misy koa ny toromarika nomen’ny Sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS): “Tsy azo ekena ny lesoka eo amin’ny fitsaboana ny androbe”, ka nahatonga nisafidy ny lohahevitra ho amin”ity taona ity hoe « fampiatiana ny mararin’ny androbe, ho amin’ ny fiainana tsara kokoa ».
Tanjona hotratrarina ny hampahafantarana ny tsirairay ireo fomba fisorohana ny aretina androbe sy ireo fihetsika tokony hatao manoloana ny marary. Ankoatra izay, entanina hanatona tobim-pahasalamana raha misy ny soritraretina. Aretin’ ny atidoha ny androbe ary azo tsaboina tsara, hoy ny fanazavan’ny mpitsabo. Misy ny fanafody ahafahana mitsabo miaraka amin’ireo toromarika omen’ ny dokotera. Afaka manohy ny asa fanaony andavanandro ilay marary rehefa manaraka ny fitsaboana, raha tsy izany, hihombo ny aretina ka mitarika ho amin’ ny fiankinan-doha amin’ ny fianakaviana.
Efa misy manam-pahaizana manokana momba ny androbe (neurologue ) napetraka manerana ny faritany mandray an-tanana ny fitsaboana sy azo hatonina. Ao anatin’ny fanamarihana ny iray volana iadiana amin’ny aretina androbe, misy hetsika samihafa araka ny fandaminan’ny faritra tsirairay avy.
Vonjy A.
Omena fiofanana sy fampianarana hanamafisana traikefa mandritra ny iray volana ireo mpiasan’ny fahasalamana momba ny aretina androbe (aretim-borognõ). Izay no nisongadina nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny iray volan’ny aretina androbe (épilepsie) ho an’ny faritra Diana. “Aretina azo tsaboina tsara izy ary manana anjara andraikitra ny mpitsabo mandray an-tanana”, hoy ny dokotera Rajaonarison Lala Andriamasinavalona, manam-pahaizana manokana momba ny épilepsie ao amin’ny CHU place Kabary Antsiranana.