Miandry ny fotoam-pitsarana azy any amin’ny fonjan’Antanimora ilay lehilahy nitonona ho polisy kanefa saika hanao ny teti-dratsiny tany Carion.
Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, ny raharaha momba ny lehilahy iray voasambotry ny zandary tany Carion andro vitsy lasa izay. Tratra nihaodihaody tamina tranon’olona tany Carion izy ny asabotsy sy alahady teo. Voasambotra sy natao famotorana ny tenany ary nahitana fanamiana polisy no mbola sahy nitonona ho mpitandro filaminana mihitsy. Ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina, hitan’ny mpiambina iray niafina tao ambadiky ny tranon’ny mpampiasa azy ity lehilahy 31 taona ity.
Nampandre avy hatrany ny mpampiasa azy ilay mpiambina saingy tsy nahita ilay SMS izy raha tsy efa maraina, hoy ny zandary ao Carion. Ny ampitson’io, tazan’ilay mpiambina nihaodihaody teny amin’ny tsenan’io mpampiasa azy io indray ny lehilahy ka nampandrenesiny faingana ny tompon-tsena. Nanontaniana tamin’izay ity olon-dratsy saingy tsy nazava ny valin-teniny sady narirarirany ny resaka.
Fanamiana polisy
Teo noho eo ihany, niantso zandary ireo tompon-trano ka voasambotra ralehilahy. Tsy nahitana kara-panondrom-pirenena ny tenany. Nilaza koa izy fa mipetraka eny Ambohibao Antehiroka. Nitohy ny fanadihadiana. Araka izany, nahitana fanamiana polisy miasa eny Alasora teny aminy. Toy ny “tee-shirt” fanaovan’ireo mpianatra, “survêtement” ary kojakoja maro samihafa. Mbola nitonona ho polisin’i Alasora rahateo izy. Vokany, nampandrenesina ny raharaha ny polisy miasa ao an-toerana ka tonga naka azy. Fan-tatra tamin’izay fa fitaovan’ireo mpitandro filaminana miasa eny By Pass ireo nangalaran’ity lehilahy sy tratra teny aminy ireo.
Henintsoa Hani