Slam-Poésie : hiaka-tsehatra i Hichim

Tontosaina anio, eny amin’ny Madagascar Under­ground Antsahavola, ny he­tsika “The Blind date”, fampisehoana Slam-Poésie iarahana amin’i Hichim, tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny Slam-Poésie, taona 2022. Tanjona amin’ity fampisehoana ity ny fanomezana lanja manokana ny fitiavana.
Hiaka-tsehatra indray i Hichim na Abdoul Anlim Abdillah, taorian’ny naha voahosotra ho tomponda­kan’i Madagasikara azy. Hiantsa ireo sanganasany sy hampiseho ny mampiavaka azy izy amin’ity fampise­hoana ity. Omena lanja sy somary habahana mandritra ity fampisehoana ity ny re­saka fitiavana. Hampiavaka azy fotsiny ny fanehoana izany amin’ny alalan’ny Slam-Poésie. Ao anatin’izany, ny mahakasika ny fetin’ny mpifankatia nankalazaina ny 14 febroary teo.
“Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny Slam-Poésie, izao hetsika izao. Mbola maro anefa ny fiomanana sy fanomanana hatao mandra-pahatongan’ny fotoana”, hoy i Hichim.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: