Niara-nidinika mikasika ny tetikasa Tatom (Antananarivo-Toamasina, Madagasikara) ireo minisitera efatra, omaly, teny Anosy. Nahitana ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao, minisiteran’ny Fanajariana ny tany, minisiteran’ny Fitaterana ary ny minisiteran’ny Asa vaventy. Tanjona ny hanajariana ny fitaterana sy ny tanànan’Antananarivo, Toamasina ary ny tambajotra Antananarivo- Toamasina.
Nandinika ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina izy ireo. Ny fanamorana ny fivezivezen’ny entana, ny fiara ary ny olona miainga avy any Toamasina mankaty Antananarivo.
“Mampitombo ny fivezivezena betsaka eo amin’ny tanànan’i Toamasina ny tetikasa fanitarana io seranan-tsambo io”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina. Nilaza izy fa tokony hifanahantsahana amin’ny fanamboarana izany ihany koa ny tanàna satria lasa sahirana ny vahoaka monina any an-toerana.
Mampitombo ny vola miditra ny tetikasa
“Mampitombo ny vola miditra eo amin’ny tanànan’i Toamasina ny tetikasa toy izao”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa afa-po amin’ny tetikasa toy izao ny tenany satria misy fiantraikany mivantana ao amin’ ny mponina izany. Efa nisy ny Miami, tetikasan’ny filoham-pirenena hanatsarana ny seranan-tsambo. Ny hanatsarana sy hiarovana ny moron-dranomasina mba tsy ho kaohin’ny riaka. Teo koa ny fametrahana fotodrafitrasa ho an’ireo mpivarotra tsy manana tsena. Manampy izany ny fanamboarana tetezana miisa roa ao amin’ny RN2 eo Moramanga amin’izao fotoana izao.
Marihina fa nitondra ny anjara birikiny ny mpamatsy vola, ny minisitera, ny ben’ny Tanàna eto Antananarivo sy Toamasina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Mino (mpianatra asa)