Varotra lavanila: tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana

Nitondra fanazavana momba ny lavanila ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, omaly, tao Ambohidahy. Tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana na misy ihany aza ireo mpandraharaha mpanondrana manao antsojay ny vidiny.

Mandalo krizy ny lavanila malagasy. Tsy mividy lavanila voa­omana ny mpandraharaha nahazo fankatoavana (agréement) hanondrana. Na misy mividy ihany amin’ireo mpan­­draharaha 88, saingy kely ny lanjany, tsy araka ny tokony ho izy.
Nifandresy lahatra tamin’ ireo mpividy any ivelany ny fanjakana, nisy nihemotra amin’ny vidiny 250 dolara ny kilao ny sasany. Ny minisitra niresaka nivantana tamin’ny masoivoho maromaro, anisan’ izany ny avy amin’ny Von­drona eoropeanina (UE) sy ny Amerikanina eto Madagasi­kara ary nilaza fa tokony hofantarina ny antony mampisalasala ny mpividy iraisam-pirenena.
Mahagaga raha ny Von­drona eoropeanina, na ny Amerikanina no tsy mampita amin’ny mpandraharaha any aminy fa nanaovana fanavaozana (réformes) ny lavanila malagasy. Sarotiny ry zareo amin’ny ady amin’ny gaboraraka, ady amin’ny kolikoly. Ny fanavaozana sy fanadio­vana natao tamin’ny lavanila dia hiarovana ny volam-panjakana, mba hiditra araka ny tokony ho izy ny vola vahiny.

Fiarovana ny tantsaha mpamboly
Mazava tsara koa ny an­tony fa miainga amin’ny fiarovana ny tantsaha mpamboly ny fanavaozana. Maninona no lasa mora ankehitriny any am-potony ? Raha latsaky ny 500 000 Ar ny lavanila ma­saka, na ny 250 dolara any ivelany dia hidinabe indray ny vidin’ny lavanila maitso any amin’ny tantsaha. Marihina koa fa tsy misy vidiny raikitra nampiharina teto hatramin’ izay teo amin’ny lavanila.
“Tokony ho fantatra fa miovaova, miaka-midina ny vidin’ny lavanila. Nisy fotoana efa 20 dolara, niakatra kely 45 dolara, Na ny rivodoza aza misy fiantraikany amin’ny lavanila”, hoy ny minisitra. “Anisan’ny antony nanatanterahana ny fanavaozana avokoa izany fa tsy hiovaova isaky ny mihetsika sy izay tiana atao ny rehetra”, hoy ihany ny minisitra.
Tsy hihemotra ny fanja­kana amin’ny fanavaozana sy fanadiovana ny sehatry ny lavanila. Miainga any amin’ ny fiarovana ny tantsaha mpamboly, miaro ny mpandraharaha madio, ary miaro ny vola vahiny tokony hiditra amin’ny fanjakana ary indrindra miaro ny fiandrianam-pirenena satria vokatra stratejika ny lavanila.

10 % ao anatin’ny sokajy « cuts »
Manoloana ny krizy dia noraisin’ny Filoham-pirenena ny raharaha. Nisy nifanara­hana tsara tamin’ireo mpandraharaha. Raha fintinina, Handrisihina ireo efa nahazo fankatoavana, nekena fa afaka hanondrana lavanila 10 % ao anatin’ny sokajy « cuts » amin’ ny vidiny 140 dolara ny kilao. Nomena fotoana hatramin’ny 13 febroary teo izy ireo ha­nome ny lanjan’ny lavanila vidiany. Raha tsy araka ny tokony ho izy dia omen’ny fanjakana alalana ireo mpanondrana hafa hividy. Arahi-maso izay mitranga ato ana-tin’ny 15 andro.

Ndrina

Partager sur: