Agence première ligne: mampiroborobo ny toekarena eto Madagasikara

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina ny Agence première ligne, omaly. Fan­tatra fa mahatratra dimy ny tolotra sy hetsika hokarakarain’ny orinasa amin’ity taona 2023 ity. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana sy fampandrosoana ny toekarena sy fijery vaovao ho an’i Madagasikara ny tanjon’ny orinasa. Anisan’ny rafitra vaovao mitantana ny serasera ara-barotra eo ani­von’ny orinasa ny SPI Forel­lo. Mitondra fahatsarana eo anivon’ny orinasa sy mandray an-tanana ny fandrosoan’ny firenena izany.
25 taona nisiana ny orinasa Agence première ligne. Mahatratra 65 ireo hetsika sy fampirantina vita tao anatin’
izay. Miara-miasa amin’ny orinasa sy fikambanana maro samihafa izy ireo ka nahafahana nanatanteraka izany. Ankoatra izay, nisedra olana samihafa toy ny fisian’ny valanaretina Covid-19 sy ny fahalasanan’ny mpiara-miasa izy ireo. “Nijoro sy nitohy foana ny lahasa teo anivon’ny orinasa na dia teo aza izany”, hoy ny talen’ny serasera ara-barotra, Rainilairivony Hony. Tao anatin’ny 10 taona, niara-niasa tamin’ny orinasa Forello Expo ihany koa. Nampiakatra sy nanome tanjaka ny lentan’ny orinasa rahateo izany.

Hiroso amin’ny hetsika maro samihafa

Miavaka ny hetsika karakarain’izy ireo. “Afaka mandray anjara ao anatin’izany ny orinasa eto an-toerana sy avy any ivelany”, hoy ny mpiandraikitra ny serasera ara-barotra, Ravahindrano Christiane. “Toy izay koa ny orinasa vao misondrotra sy ny efa miroborobo”, hoy Raza­fiarisoa Malala, mpiandraikitra ny serasera ara-barotra. Anisan’ny hetsika hataon’izy ireo ny «Salon international de l’Habitat» sy ny «Foire internationale de l’Habitat». Miatomboka ny volana mey ho avy izao izany. Manampy izany ny resaka fambolena sy fiompiana. Ankoatra izay, hisy ny hetsika vaovao mikasika ny toekarena eto Mada­gasikara.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: