Andraikiba: Fiara 4×4 nifatratra tany anaty rano

Nifangaro ny tsindry hisatra sy ny hitsaka fandodona, nifatratra tany anaty rano ny fiara tsy mataho-dalana iray tao Andraikiba, nandritra ny andron’ny mpifankatia, afakomaly. Nanararaotra ny fotoana natokana ho an’ny olon-droa, niala sasatra teny amoron-drano ireto mpifankatia ireto. Nitondra fiara ny lehilahy kinanjo nifandiso ny tongony. Voahitsaka tamin’izany ny hitsaka fandodona raha toa ka ka tsindry hisatra no saika hitsahin’ilay mpamily. Vo­kany, nitsoraka tany anaty rano ny fiara. Nifamonjen’ireo nanatri-maso izy roa tao anaty fiara. Tonga nijery ifotony ny zava-nisy koa ny zandary. Tsy nisy natahorana ny ain’ireo tra-doza.

Tsiferana R.

Partager sur: