Hamolavola tolo-dalàna hifehy ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa (alternance formation emploi) eny anivon’ny sekoly teknika sy ny sekoly ambony ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétence travail” (JMCT). Ahafahana miroso amin’izany, nisy ny atrikasa niarahan’ny minisitera efatra, omaly, teny Antaninarenina ho fametrahana izany. Nahitana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny fampanana asa ary ny minisiteran’ny Asa tanana. Fihaonana voalohany izao hamaritana ny lalana ahafahana manana lalàna. Fomba fampianarana iraisan’ny toeram-pianarana sy ny orinasa handray ny mpianatra ny ATE ka sady mianatra no miasa izy ireo. Tsy fianarana asa no atao eny anivon’ny orinasa fa raisina ho toy ny mpiasa ilay mpianatra, hoy ny tale jeneralin’ny IST Antananarivo sady tale misahana ny fandrindrana ireo atrikasa fanomanana, Rakotondrajaona Luc. Tombony amin’ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa ny fiakaran’ny fahaiza-manaon’ny mpianatra avy hatrany. Manohana ny tetikasa ny AUF, ny Kanadianina ary ny oniversite Trois rivières.
Tsy mbola vonona ny orinasa
Efa nampiharina tamin’ny sekoly teknika LTP Toamasina ho an’ny lalam-piofanana taotrano sy asa vaventy (BTP) ny ATE ny taona 2018. Na tsy mbola manana rijan-dalàna mifehy izany aza i Madagasikara, nirosoana ihany ny fanatanterahana azy satria efa nanaiky ny sendikan’ny mpandraharaha amin’ny BTP tany an-toerana, hoy ny tale mpanatanteraky ny ivontoeram-panofanana nasionaly momba ny BTP, Ramamonjisoa Josoa. Nampiharina nandritra ny taom-pianarana telo ny ATE ary nahazo vokatra tsara ny LTP. Tafiditra voaray niasa avokoa ny 70%-n’ny mpianatra 19 na 20 taona eo ho eo. Miofana sy mianatra roa taona izy ireo dia mahazo Brévet. Nisongadina ho an’ny andrana tany Toamasina fa tsy mbola vonona ny orinasa handray mpianatra hiofana hiasa avy hatrany. Tsy ampy ny mpampiofana manana traikefa hanome tantsoroka miaraka amin’ny kalitao takina.
Vonjy A.