Notanterahina tamin’ ity herinandro ity teny amin’ny tranombokin’ny oniversiten’ Antananarivo ny atrikasa fakan-kevitra mahakasika ny politikam-pirenena momba ny fikarohana sy ny haivao (PNRI). Tanjona ny hitarihana ireo mpandray anjara fototra amin’ny fikarohana siantifika. Fikarohana atao hifanaraka amin’ny filan’ny vondrom-piaraha-monina, ahazoana vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny fito taona (2023-2030).
Hiantoka ny fitantanana ny drafitr’asa fampandehanana ho fampiharana ny PNRI ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ny fitaleavana ankapobeny misahana ny fikarohana siantifika miaraka amin’ny laboratoara sy ny sampam-piofanana ary ny ivontoeram-pikarohana no hanatanteraka azy. Tokony hisy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra hafa sy ny minisitera, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy, nasionaly sy iraisam-pirenena. Efa nisy fakan-kevitra natao tamin’ireo oniversite dimy manerana ny Nosy ary namaranana azy ny fakan-kevitra natao teto Antananarivo .
Vonjy