FMI : miankina amin’ny toekarena sinoa

Miankina amin’ny fiverenan’i Chine ny toekarena eran-tany, raha ny fahitan’ny FMI azy. Hiakatra 5,2 % ny toekarena sinoa amin’ity 2023 ity ary 4,5 % amin’ny taona 2024. Amin’ny ankapobeny ny fisokafan’ny toekarena sinoa dia tombontsoa ho an’ny toekarena eran-tany, hoy ny mpanadihady iray ao amin’ny FMI. Eran-tany, hitombo 2,9 % izany ary ho tafiakatra 3,1 % na eo aza ny fiakaran’ny vidim-piainana, sy ny ady any Ukraine mampihisitra ny toekarena any Eoropa sy Etazonia. Na izany aza, mampitandrina ny FMI fa mety hihanaka tampoka ny valanaretina Covid-19, koa tsy mety ny politika «tsy misy Covid» hampihitsoka sehatra maro. Eo koa ny fiovan’ny toetr’andro, izay hamely mafy aty Afrika.

Ndrina

Partager sur: