Notontosaina ny Alarobia 15 febroary 2023, teny amin’ny Cercle Germano-Malagasy na CGM Analakely ny hetsika “Sokaf’hehy”. Hetsika fanaon’ny mpiangaly ny karazana hatsikana Stand up. Somary nisy fiatoana kely ny hetsika ary izao tafaverina izao indray.
Ny volana novambra 2022 no nisian’ny hetsika “Sokaf’ hehy” farany, raha tsiahivina. Anton’izany ny fisian’ny hetsika maro isaky ny karazany avy teo amin’ny sehatry ny hatsikana. Tafaverina indray izy ankehitriny, tsy niova tamin’ny nahafantarana azy hatramin’izay. Mbola tazana ao daholo ihany koa ny mpandray anjara sy ny mpanafana ny lanonana. Nisokatra ho an’ny rehetra ny sehatra tamin’itty hetsika natao omaly teny amin’ny CGM Analakely ity. Tanjona amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny fampiroboroboana ny tontolon’ny hatsikana. Eo ihany koa ny fampahafantarana ny Stand Up, izay karazana hatsikana vao niditra teto Madagasikara.
Lin (Mpianatra asa)