Taorian’ny fandrobana sy fakàna ny fananan’ny orinasa Kraomita Malagasy tao Brieville-Tsaratanana, naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambatondrazaka ilay tale iray eo anivon’ny faritra Betsiboka voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fandrobana ny orinasa. Isan’ny nofonjaina miaraka aminy ihany koa ny mpamiliny. Raha tsiahivina dia ny faran’ny volana janoary 2023 no nahatrarana ireo fitaovana avy amin’ny milina ampiasaina ao amin’ny orinasa Kraomita Malagasy. Efa eo anivon’ny fitsarana ity raharaha ity amin’izao. “Mangataka ny fitsarana sy ny tompon’andraikitry ny Orinasa Kraoma mba hanaraka akaiky ity raharaha ity fa mbola misy mpiray tsikombakomba amin’ity tompon’andraikitra naiditra am-ponja ity ao, izay mikendry ny hanapotika ity orinasa ity”, hoy Ratsimanosika Alexandre, Solombavambahoaka voafidy tao Tsaratanana.
Ity orinasa ity izay tsy mikatona amin’izao fotoana izao.
Lin (Mpianatra asa)