Nanao fanambarana fanairana ireo fikambanan’ny mpianatra mivondrona ao amin’ny Mafami (Mpianatra Ambaratonga ambony avy amin’ny Faritanin’Antananarivo Miray) eny Ankatso II, omaly. Mpianatra avy amin’ny faritr’i Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ary eto Analamanga izy ireo. Nitaky ny hanavaozana ny lisitry ny mpianatra manao fangatahana hahazo ny trano fonenana vaovao eny amin’ny cité RR+1 Ankatso II izy ireo.
Ankoatr’izay, takin’izy ireo ny hampiharana ny lasitra sy masontsivana ho an’ny kamboty, ny mpianatra mendrika amin’ny fizarana. “Nahitana fahombiazana izany tamin’ny fizarana ny trano fonenana tao amin’ny RR+3 ankatso II ka tokony haverina”, hoy ny mpitondra tenin’ny fikambanana, Randrianantenaina Christian.
Tokony hatao mangarahara ny fananganana kaomisiona amin’ny fampidirana ireo mpisehatra rehetra hisitraka ny trano fonenan’ny mpianatra.
Foanana ny fanavakavahana
Olana ho an’ireo mpianatra ny hizarana mitovy ny trano fonenana amin’ireo faritra 23. Nilaza izy ireo fa avy eto amin’ny faritanin’ Antananarivo ny ankamaroan’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antanananarivo. Noho izany, tokony hojeren’ny minisitera ireo olona mendrika sy ny faritra ahitana mpangataka maro.
Mangataka ny minisitera izy ireo mba hanafoana ny fanavakavahana eo amin’ny fitantanana ny samy mpianatra. “Angatahanay ny mba hifanaraka amin’ireo isan’ny mpisitraka ny fizarana ny trano fonenana”, hoy ny filohan’ny fikambanana eto amin’ny faritr’Analamanga, Randriampiheno Fanomezantsoa.
Hiroso amin’ny dingana hafa izy ireo raha tsy miverina amin’ny fanapahan-keviny ny minisitera.
Mino (mpianatra asa)