Nivoarivony : “Tsy tokony hataon’ny mpisehatra politika fitaovana ny firaisamonina sivily”

Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Indraindray, mila hifangaro be ihany ny firaisamonina sivily sy ny mpisehatra politika. Aiza ho aiza? Maneho ny heviny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), i Nivoarivony: “Tsy tokony hataon’ny mpisehatra politika fitaovana ny firaisamonina sivily.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza ny firaisamonina sivily amin’izao fanomanana fifidianana izao?

Nivoarivony (-): Ma­na­na anjara andraikitra lehibe ao anatin’ny zotram-pifidianana ny firaisamonina sivily, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Eo ny fanaraha-maso amin’izay tsy fetezana rehetra, mampahatsiahy na mamerina amin’ ny laoniny raha misy, ohatra, ny tsy fanarahan-dalàna. Eo indrindra koa ny fitaizana ny olom-pirenena, milaza sy mampita ny vaovao tokony ho fantan’ny olom-pirenena momba ny fifidianana…Tsy mitanila amina loko politika amin’izany, fa mijanona ho tsy miandany sy tsy miangatra.
Tsy tokony hataon’ny mpisehatra politika fitaovana izy amin’izany. Izay no mahatonga ny antso fanairana na fampahatsiahivana hoe voafehin’ny lalàna 60-133 izahay: tsy fitaovana politika, tsy tokony hanana loko politika. Nefa misy lasa karazana na endrika mpikarama an’ady, manaiky rebireben’ny mpanao politika na ataony fitaovana na tohatra fiakarana. Mila ijoroana mandrakariva izay tsy fiandaniana izay.

* Ahoana ny amin’ireo mahazo toerana politika?

– Sarotra izay… Lalàna eto amintsika no somary efa nilaozan’ny toetrandro ary mampanontany tena: mbola mety amin’izao vanim-potoana izao ve io lalàna 60-133 io? Sao efa tokony hohavaozina mitaha amin’ny zava-misy amin’izao? Mba hahazoana mametra sy mamaritra mazava tsara hoe: hatraiza ny maha firaisamonina sivily ny olona iray? Ny mpikambana isam-batan’olona ao anatiny no mety misy manao politika. Raha mpitarika fikambanana, ohatra, no lasa manao politika, izay no mandoto sy ma­nimba an’ilay fikambanana.
Araka izay, manana anjara andraikitra amin’ny fanabeazana ny mpikambana ao aminy koa ny antoko politika. Tianay hampitaina amin’ny mpanao politika, na mpitondra na mpanohitra: aoka re, aza mba homena vaovao diso na voahodinkodina ny mpanara-dia aminareo, fa beazo ho tena resy lahatra amina vaovao marina. Tokony hamaky lalàna koa vao mamoaka hevitra ny mpanao politika. Araka ny lalàna marina ve ny hevitra avoaka sa eritreritra fotsiny no avoaka? Mba tsy hampisavorovoro saim-bahoaka…

* Inona ny antoka amin’ ny fifidianana?

– Tanjona aloha ny mba hahavitantsika fifidianana ao anatin’ny fitoniana sy fangaraharana, tsy mitanila sy
eken’ny rehetra. Mba hisian’ ny fahamarinan-toeran’ny olom-boafidy amin’izany. Misy fepetra maromaro ny antoka amin’izany. Manao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, ohatra, ny Ceni. Hisy ny fanaovan’ny firaisamonina sivily sy ny mpisehatra politika fitsirihana izany. Antoka iray rehefa tsy misy ny anarana miverina. Ma­naraka, eo koa ny fanarahan-dalàna tsy mitanila: mitanila sa tsia ny Ceni? Raha misy izay, anjaran’ny firaisamonina sivily ny manaitra sy mamerina amin’ny fanarahan-dalàna tsy mitanila. Hatramin’izao, tsy misy ny fitanilana amin’ny fanomanana fifidianana. Koa aleo handeha ny fifidianana. Mila mandray andraikitra araka ny tandrify azy ny mpisehatra rehetra hisian’ny fitoniana, fa izay hatrany no miteraka korontana.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: