Nafenina tao anaty valizy saingy mbola tratra ihany, ireo rongony mahery vaika noentina teratany tanzanianina iray tao Nosy Be afakomaly. Milanja sivy kilao mahery ity zava-mahadomelina sarona tao amin’ny seranam-piaramadina Fascène ity.
Tonga tamin’ny sidina “Ethiopian Airlines ET837” ny mpandeha nitondra izany ny talata teo, hoy ny fanazavan’ny sampandraharahan’ ny fadintseranana ao an-toerana. Tratra tamin’izany ireo “marijuana” milanja 9.174 kilao ary nogiazana avy hatrany. Ilay teratany tanzanianina kosa voasambotra sy natao fanadihadiana.
Andro vitsy lasa izay, nahatrarana zava-mahadomelina nafenina tao anaty kojakojana fiara koa tao an-toerana. Antony mahatonga ireo mpiasan’ny fadintseranana ao amin’ny seranam-piaramanidina Nosy-Be ho mailo.
Henintsoa H.