12 ny orinasa malagasy mandray anjara amin’ny fampisehoana momba ny vokatry ny
fambolena « bio » amin’ny BioFach any Nuremberg, Alemaina ny 14 hatramin’ny 17 fe-
broary 2023.
Fampisehoana lehibe indrindra momba ny sakafo, koa nohararaotin’ireo orinasa malagasy ireo ny nampahafantra vokatra avy aty Madagasikara, harena lehibe amin’io sehatra io. Vanim-potoana goavana ifaneraseran’ny mpamokatra, mpanamboatra, mpanjifa, mpamatsy, mpiara-miombon’antoka, mpitsidika tsotra.
Orinasa malagasy 12 mpikambana ao amin’ny sendika Synabio*, nitambatra tamin’ny tranoheva iray naneho ny harenan’i Madagasikara amin’izany «bio» izany. Fandraisana anjara goavana izao ho an’ireo mpandrahara malagasy na volabe aza nivoaka.
«Tsy dia fantatra loatra i Madagasikara amin’ny voankazo maina, nefa izahay manana kalitao tsara sy betsaka amin’ny karazany maro. Ho ahy, zava-dehibe ny fandraisanay anjara mampahafantatra ireo vokatra amina orinasa sy mpanafatra. Madagasikara afaka mamatsy vokatra tsara kalitao voamarina fa bio», hoy Rabenantoandro Hasina, mpanorina ny Lytcheeland. «Fifaninanana amin’ny hafa koa izao, mba ho fantatra koa ny ataon’ny sasany”, hoy ihany izy.
Miroborobo ny sehatry ny «bio» eto Madagasikara, 80 % ny aondrana any ivelany, ka 60 % amin’ireny any Japana. Mitady lalam-barotra vaovao any Eoropa izao ny Lytcheeland. Afa-po tamin’ny fifampiresahana tamin’ireo mpanjifa ny mpandraharaha. Ilaina ny fandraisana anjara indroa, na intelo vao tena manao sonia fifanarahana, hoy izy ireo.
110 tapitrisa euros ny vola kirakiraina isan-taona, ary mitombo hatrany ny azo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Misy lalàna momba io vokatra io tamin’ny 2020, ho an’ny tsena anatiny sy ivelany, saingy 2023 izao tsy mbola nampiharina izany lalàna izany.
Ndrina
Synabio* : Syndicat malgache de l’agriculture biologique