Laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’izao ny sosialim-bahoaka. Mby aiza? Efa misy ny firotsahan’ny minisitra an-tsehatra. Izao vao tena tanterahina ny hoe fidinana ifotony? Tsy manabe takolaka any anaty birao, mijery sy mihaino ny hetahetam-bahoaka. Andrasana ny hoe asa mivaingana, azo refesina, miantraika mivantana amin’ny vahoaka… Vitan’ny fizarana fanampiana?
Tsy lavina, lehibe sy maika amin’izao ny vonjy aina. Mbola tsy mahafa-bela ny fahavoazana tamin’ny valanaretina covid-19, ny takaitra navelan’ny rivodoza nifanesy, ny voka-dratsin’ny ady any Ukraine… Saingy tsy ho vita mandavantaona ny fizarana fanampiana, tsy hahahenika ny rehetra, tsy hahasehaka ny fahasahiranana marolafy, tsy hahafa-po rahoviana… Mitaky politika mazava.
Vahoaka toy inona no hoe ho amin’ny fampandrosoana? Mila foto-kevitra sy vina mazava. Miara-dalana ho azy amin’ izany ny fandaharanasa, ny paikady enti-manatanteraka, ny enti-manana, izay hiasa… Vahoaka mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana izany? Mahalala ny ataony sy izay alehany, mandray an-tanana ny fiainany, tompon’ antoka amin’ny hoaviny… Mby aiza?
Lalina sy maharitra ary saika mahahenika ny rehetra ny fahantrana? Maika ny vonjy aina. Saingy tsy ambanin-javatra na ambin-javatra ny politika sosialy: fampitomboana sy fampivelarana ny famokarana tsy hanjakazakan’ny mpanangom-bokatra, ohatra, famoronana asa mahavelona, fahazoana antoka ny hoavy fa tsy fitanana aina sy fivelomana fotsiny, asa fa fandrosoana…
Mifanindran-dalana amin’ny zotram-pifidianana amin’ izao ny sosialim-bahoaka? Na miseholany sy ahina ny hoe sosialy politika… Avadika ho politika ny raharaha? Na misy antony sy dika ary vokatra politika ho azy izay atao amin’ny fiainam-bahoaka… Mety miara-dalana tokoa izany: politika no itsinjovana vahoaka; ny fitsinjovana vahoaka, miantraika amin’ny politika.
Na izany aza, tokony hifameno fa tsy hifamono izay atao na eo aza ny fiatrehana fifidianana. Anjaran’ny vahoaka tompon’ny teny farany koa ny mandinika, mitsara, misafidy: iza ny manao vonjy tavanandrom-pifidianana? Na izay tena manarina na hanarina izay fiainam-bahoaka ho amin’ny tsaratsara sy lavidavitra kokoa amina politika sosialy fa tsy sosialy politika.
R. Nd.