Raharaha mampiahiahy: maty nisy namono Rabezanahary Lalao

Maty tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony teny Ambohipo Rabezanahary Lalao, Coordonateur général ny Vondron’olona miaro ny fitondrana (VMF) ary filoha lefitry ny Tanora mijoro ho an’i Madagasikara (TMM).

Andro vitsy taorian’ ilay vono olona ma­hatsiravina tetsy An­davamamba, nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony teny Ambohipo koa Rabe­za­na­hary Lalao. Coordonateur général ny Vondron’olona miaro ny fitondrana (VMF) ary filoha lefitry ny Tanora mijoro ho an’i Madagasikara (TMM). Nanomboka ny asabotsy teo, tsy nivoaka ny trano fonenan’ity raim-pianakaviana ity. Nitabataba ihany koa ny radiony, fihetsika izay tsy mba fanaony kanefa nanaitra ireo mpiara-monina aminy. Nandritra izay, nodondomina mafy tao an-tranony izy saingy tsy namaly, ny trano rahateo nihidy avy ao anatiny. Afakomaly, voatery nopitsohina ny varavarana. Taitra ny rehetra raha nahita azy nitsirara tamin’ny tany. “May tanteraka ny lamosiny, niendaka daholo ny hodiny ary nitsovaka tanteraka mihitsy”, hoy ny fanazavan-dRabezanahary Lazasoa, rahalahiny. Nambarany fa nikorontana ambony ambany ny trano, niparitaka eraky ny trano ihany koa ny arina. Tamin’io fotoana io, mbola nisy aina izy ary noentina teny amin’ny HJRA. 15 minitra taorian’izay, nilaza ireo mpitsabo nandray azy fa tsy tana ny ain’ity raim-pianakaviana ity.

Manjavozavo
Hatramin’izao, tsy mbola fantatra ireo nahavanon-doza. Tsy mbola misy ihany koa ny olona voasaringotra amin’ity raharaha ity. Voa­faritra taorian’ny fizahana fa nivoaka teny amin’ny varavarankely ny olon-dratsy nahavita ity habibiana ity. “Tsy mbola nitory izahay fa aleo hametraka azy amin’ny toerany, any Fandriana izay vao mandinika ny tohin’ny zava-misy ny fianakaviana”, hoy hatrany ireo havany. Ankilan’izay, manao antso avo amin’ny filoham-pirenena ny Tanora mijoro ho an’i Madagasikara (TMM) mba hijery akaiky ny zava-misy.

Miantso ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana koa ny VMF hijery sy hiaro ireo mpikambana ao amin’ity antoko ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: