Var momba ny fifidianana : “Tokony ho efa niomana ny rehetra”

“Raha ny tena izy, tokony ho efa niomana ny rehetra hoe hisy fifidianana ny taona 2023. Vao vita ny fianianan’ ny filohan’ny Repoblika, tamin’ny 19 janoary 2019, efa mazava fa hisy izay fifidianana izay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso (Var), Rakotoarijaona Jerry, momba ny toe-draharaha politika amin’izao fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika izao.

Tokony ho efa niomana ho amin’izany fifidianana izany ny rehetra, araka ny nambarany. Misy ny sasany manam-bintana kely amin’ny hoe fitondrana Tetezamita. Rehefa misy fiaraha-mitantana izay fizarazazana toerana ry zareo, vao mahita seza ka mankamamy izay. Tsy azo lavina koa fa mbola misy ny sasany manao politikan’ny adivarotra: mody mandon-databatra kely sitrany ahay tambatambazina sy hampanginina: vola izay.

R. Nd.

Partager sur: