Varotra rongony : lehilahy roa voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy ireo tovolahy miisa roa afakomaly. Tratra nivarotra rongony teny Manakambahiny sy Ambodivona izy ireo tamin’izany.
Naharay fitarainana mikasika io tranga io ny eo anivon’ny sampana miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina (Stup) eny Anosy ka nahatonga ny fidinana ifotony nataon’ny polisim-pirenena. Vokany, voasambotra nandritra izany ny roa lahy anisan’ny mpivarotra rongony eto Antananarivo. Tratra teny Manakambahiny ny rangahy iray 40 taona. Niaraka ta­min’ny rongony miisa 67 fonosona sy rarany 100 gr. Voasambotra tao an-tranony tetsy Ambodivona ny iray 29 taona. Teo am-pamonosana ireo rongony miisa 84 fonosana izy io tamin’izany.
Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo. Nilaza ny jiolahy iray fa vidiany eny Anosizato ireo zava-mahadomelina ireo. Mahatratra 45000 Ariary isaky ny iray sachet ny vidiny. Tsinjarainy amin’ny fonosona tsirairay izany avy eo ka amidy 1000 Ariary.
“Misy manatitra ao an-tranony kosa izany hoy ny jiolahy iray hafa ka vidiany 20.000 Ariary ny iray sachet kely” hoy ity jiolahy iray ity. Amidiny 500 Ariary kosa ny iray fonosana avy eo.
Mahalafo 30 fonosona isan’andro izy ireo raha ny fanadihadiana natao. Nato­lotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: