Nitrangana vono olona mahatsiravina tao Soaserana kaominina Miary Taheza, distrikan’i Sakaraha. Afakomaly maraina, renim-pianakaviana bevohoka 25 taona sy ny zanany lahikely dimy taona no hita faty tapa-doha tsy lavitra ny toeram-pitrandrahana safira ao an-toerana. Noentin’ ireo olon-dratsy nanaraka azy any ny lohan’izy mianaka ireto ary tsy mbola hita hatramin’izao. “Tsy mbola fantatra ny tena antony namonoana azy mianaka sy nanapahana ny lohan’izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny zandary avy ao atsimo andrefana. Hatramin’ izao, tsy mbola voafaritra ihany koa ny isan’ireo jiolahy nahavanon-doza.
Teny atsimon’Ambokalava no hitan’ny fokonolona ny vata-mangatsiakan’izy mianaka ny talata maraina teo. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana. Voalaza tao anaty famotorana fa avy any Ambatoabo Taolagnaro izy mianaka ary tsy misy havany ihany koa ao Ambokalava. Etsy ankilany, voafafan’ny orana ny dian’ireo olon-dratsy kanefa tsy manakana ny fanadihadiana ity vono olona ity izany.
Henintsoa H.