Tonga amin’ny fiafarany ny “festival amour en mots” rehefa nandeha nandritra ny 4 herinandro teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo na Aft Andavamamba. Hetsika maro sy fifaninanana ary varotra sy fampirantina maro no nentina nandravahana izany hetsika lehibe izany. Nahazo laka manokana nandritra ny “festival Amours en mots” ny boky sy ny resaka fitiavan’olon-droa. Tanjona amin’ny fanatontosana ny hetsika ny fitondrana fanabeazana sy fampianarana ary fampahafantarana ny kolontsaina sy fanandratana izany.
Tapany voalohany tamin’ ity hetsika lehibe ity ny fifaninanana mahakasika fanoratana tononkalo sy horonantsary mitory fitiavana. Taorian’izay, nisy ny fampirantina sy fitsidihana. Teo ihany koa ny fizarana sy fifanakalozana boky. Hamaranana azy, amin’ity anio ity. Hisy ny hetsika “Ciné amour”. Fandefasana horonantsary izy ity, ao amin’ny Aft Andavamamba.
“Nahafa-po ny vokatra hita hatreto, taorian’ny hetsika notanterahina teo aloha. Nahaliana ny maro ilay izy, indrindra ny tanora. Azo lazaina fa tratra ny tanjona” hoy ny tompon’andraikitra mpikarakara ny hetsika.
Lin (Mpianatra asa)