“Afa-manohitra ny mpanohitra. Tsy misy olona tampenam-bava eto. Tsy firenena hoe mandeha amin’ny hevitra tsoa-tokana eto. Mahazo miteny avokoa izay te hiteny”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko Avi, Rabetsaroana Sylvain, momba ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao. Na izany aza, mba miteny zavatra marina kosa aloha, fa tsy mitondra fanakorontanana. Indraindray ny mpanohitra, mivilana any amin’ny tsy izy ny zavatra teneniny.
Tsy maintsy irosoana ny fifidianana. Efa manao fanetsehana sy fameloma-maso ny antoko ny Avi any ifotony rehetra any. Efa natao izany tany Atsimo Atsinanana, tany Toamasina; atsy ho atsy, any Toliara. Hotetezin’ny antoko i Madagasikara. Efa manomboka ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’ izao fotoana izao, araka ny nambarany. Efa fantatra iny ny datim-pifidianana: 9 novambra ny fihodinana voalohany, 20 desambra ny fihodinana faharoa.
“Enga anie ka hilamina soa aman-tsara ny fifidianana”, hoy izy. Izay no tanjona. Adidy masina io. Manentana ny vahoaka hifidy, indrindra mijery ny anarana ao anatin’ ny lisi-pifidianana. Raha tsy ao, sanatria, ny anaran’ny tena, manatona ny tomponandraikitra. Araka ny teneniny hatrany: izany filohan’ny Repoblika voafidy tsara fa avoavo ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy amin’ny fandrotsaham-bato dia milamina ny tany.
R. Nd.