Taitra tao indray ny filoha ! Hisy ny fanovana amin’ny governemanta afaka andro vitsy, raha ny tombana satria efa vita ny fisaorana. Betsaka ny fanehoan-kevitra momba izany, nanomboka afakomaly hariva mandraka izao. Fanovana atao inona ? hoy ny malailay fonosana. Tena ilaina kosa, hoy ny mpanohana mahafatra-po. Ireo nilaza fa tena nitolona hatrany amin’ny taona 2009. Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera fa ifampitadiavana indray ny mpiara-mitolona hatramin’ny 2009. Hanampy azy ireo ny avy amin’ ny ankolafy Ratsiraka Didier, na ny Arema hiringiriny.
Misy ifandraisany amin’ny fahatongavana an-tanindrazan’ny praiminisitra teo aloha, Tantely Andrianarivo ve izany ? Ity farany izay manana ny herijika ambony amin’ny fanamafisam-piaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola vahiny sy mpiara-miombon’antoka any ivelany. Olona afaka ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampihodinana indray ny lamasinina, mihisatra, ankehitriny. Anisan’ny hisafidianana izay handimby an’i Ntsay Christian ve izy ? Tsy mbola fantatra mazava ny valiny satria misy anaran’olon-kafa maro mihodina any. Toa efa misy ny lisitra eo am-pelatanan’ny Filoha Rajoelina Andry. Miandry ny fiverenany avy any Addis Abeba, amin’ny faran’ny herinandro io isika dia hahazo ny valiny.
Etsy an-danin’izay, efa mandeha ny fakana antontan-taratasy sy fanaovana sivana. Miandraikitra izany ny birao politikan’ny TGV, sy ny fitaleavana ankapoben’ny raharaha sosialy sy politikan’ny fiadidiana ny Repoblika (DASP) eny amin’ny Arena, Ivandry. Mifanindran-dalana amin’izay ny eny anivon’ny fikambanana sy vovonana isan-karazany. Inona anefa ny fepetra takin’izy ireo ? Ilaina ny mangarahara mba hahafahan’ny tena tia tanindrazana sy ilay resy lahatra tanteraka amin’ny filoha no ampidirina anaty lisitra, hisafidianany.
Tsy takona afenina, efa misy ny mpijirika sy mpanelanelana ary ny mpisoloky eny rehetra eny. Eo indrindra no ilana ny fahamailoan’ny tomponandraikitra rehetra. Efa fotoanan’ny mangarahara sy ny fahadiovan’ny dingana isan’ambaratongany izao mba ho antoky ny fampandaniana indray ny Filoha. Tsy sanatrian’ny vava, singam-bolo bitika dia handavo ny vositra sy hanimba ny ho avy politika rehetra. Na mahoraka aza ny « tetezamita », fadiana ny be kajy. Sao ny fihetsika kely tsy voahevitra no manafohy ny tokony ho lava. Mahaiza milalao !
r.r