Tapitra tanteraka ny asa ratsin’ny jiolahy iray ikoizana ao Toamasina. Afakomaly, nirefodrefotra ny basy tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo, tao Tsarahonenana. Maty voatifitry ny polisin’ny Fip i Erick, jiolahy mpamerin-keloka sady nokarohina hatry ny ela. Fanta-daza amin’ny vaky trano, vono olona ary fanafihana mitam-piadiana ny lehilahy. Tamin’io fotoana io, saika hamira antsy sy hamaly ireo polisy izy saingy nanohitra ny mpitandro filaminana ka lavo tamin’izay ny lehilahy. Tsiahivina fa voatonona tamin’ilay vono olona feno habibiana tao Tanambao Verrerie i Erick. Nahafaty raim-pianakaviana mpandraharaha izy tamin’izay, nandratra vehivavy iray vadin’ity maty ary nandroba vola mitentina 10 tapitrisa Ar koa. Ankoatra izay, isan’ireo namono tovolahy mpiambina tao Androranga koa izy. Matetika miditra am-ponja saingy tsy mijanona ela any. Hany ka manohy ny asa ratsiny indray vao tafavoaka ny fonja. Andanin’izay, nilaza ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, fa manomboka mandry fahalemana i Toamasina taorian’ny hetsika “Lamba mainty”. Izy izay tsy mankasitraka ny fanelanelanana ataon’ireo tomponandraikitra sasany amin’ny raharaha vono olona sy fampanofana basy. Etsy ankilany, manentana ny fiarahamonina ny talem-paritry ny filaminana anatiny ao amin’ny faritra Atsinanana mba hanome vaovao hisorohana ireo asan-jiolahy isan-karazany.
Sajo/ Henintsoa H.