Fahavitan-tena ara-tsakafo: nanome zezika 500 t ny orinasa Ambatovy

Azo hatao zezika ny Solfata amonioma (SA) avy amin’ny akora fanodinana ny nikela sy
kobalta vokarin’ny orinasa Ambatovy. Sambany ny hampiasana izany, ankehitriny, entina hanatsarana sady hampiakarana ny vokatry ny tantsaha.

Natao, omaly, tany Mora­rano Chrome, ny fanoloran’ny orinasa Am­batovy ny zezika Solfata amonioma (SA), azo avy amin’ny fanodinana ny nikela sy ny kobalta. Milanja 500 taonina ny zezika SA efa vonona. Ka hozaraina ho an’ny tantsaha, mamboly ao amin’ny le maka PC 23 any Ambatondrazaka, ny 238 t, ankoatra ny 180,5 t efa nalefa aty Antananarivo. Natolotr’Ambatovy ny Sam­pandraharaha japoney ho an’ny fampandrosoana Jica, ao anatin’ny fandaharanasa Papriz ireo zezika ireo. Ity farany indray no manolotra izany ny ministeran’ny Fam­bo­lena sy ny fiompiana (Minae) ary haparitaka any amin’ny faritra miisa 11.
Mahatratra 10.000 ha ny velarana tanimbary ao amin’ ny PC 23 any Alaotra.
Araka ny vinavinan’ny Minae, tombanana hiakatra hatrany amin’ny 2.380 taonina ny voka-bary noho ny fampiasana ity zezika Solfata amonioma avy amin’ny orinasa Ambatovy ity.

Tafakatra 5-8t/ha
ny vokatra

Nilaza ny filoha lefitry ny orinasa Ambatovy, Philipe Beaulne, fa orinasa malagasy ny Ambatovy, eto amintsika daholo no ahodina ny akora, koa rariny raha manohana nv fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena izy ireo. Sady fandraisana anjara amin’ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Misy ny fenitra sy fepetra arahina amin’ny fampiasana ny zezika SA, efa nanaovana andrana niarahana tamin’ny teknisiana malagasy.
Manamasaka sy mando­naka ny tany ny fampiasana zezika SA, satria misy ny singa souffre ao aminy. Mihena an­tsasany ny fandaniana rehefa mampiasa azy. Hofanina ara-teknika ny tantsaha amin’ny fampiasana azy, ampiarahana ny teknika Papriz. Mahatratra 5 hatramin’ny 8 t/ha ny voka-bary amin’izany, raha 2 hatramin’ny 3t/ha hatramin’izay.
Natao. omaly ny fanolorana ireo tany Morarano Chrome Ambatondrazaka, notarihin’ ny filoha Rajoelina. Namba­rany fa hozaraina maimaimpoana na amidy amin’ny vi­diny mirary, 1500Ar ny kilaon’ ny zezika SA, raha 5.000 Ar ny eny an-tsena izao.
Ankoatra izany, nanolotra fanampiana, vary milanja 17,5 t, sy zavatra ilaina andavanandro (koveta, vilany, akanjo, sns) ho an’ny traboina vokatry ny rivodoza Cheneso koa ny te­nany. Nomena moto tsirairay avy koa ireo ben’ny Tanana miisa 39.

Njaka Andriantefiarinesy

Ireo faritra 11 hana­pariahana ny zezika SA: Alaotra Mangoro, Anala-manga, Atsinanana, Ana­lanjirofo, Vakinankaratra, Itasy, Bongolava, Menabe, Boeny, Amoron’i Mania, Betsiboka.

Partager sur: