Vinavinaina hampiharina eto amintsika manomboka amin’ny taom-pianarana 2023-2024 ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa (ATE) ao anatin’ny fandaharanasa « Jeunesse Malagasy compétence-travail » (JMCT) tohanan’ny governemanta kanadianina sy ny oniversite Trois Rivières ary ny AUF. Novoriana ny sekoly hampiharana ny ATE sy ny minisitera voakasika ary ny sehatra tsy miankina handray ireo mpianatra ahafahana maka hevitra momba ny fametrahana lalàna hifehy ny ATE. Io ny nambaran’ny tale mpandrindra ny JMCT eto Madagasikara, Rakotondrajona Luc, omaly, teny Antaninarenina. Efatra taona no namolavolana ny fametrahana ny ATE eto Madagasikara, niaraka tamin’ ny manam-pahaizana maromaro hampitombo ny fahaizana sy ny traikefan’ny mpianatra aorian’ny fahazoana diplaoma, hoy ny teknisianina sy manam-pahaizana avy amin’ny oniversiten’i Trois Rivières any Kanada, Razakamananifidiny Patrick. Sehatra vaovao hifarimbonan’ny rafitra maromaro ny JMCT tohanan’ny kanadianina toy ny nametrahana ny sekoly ambony Inscae teto amintsika ho fampandrosoana ny fampianarana.
Misy fifanarahana manokana
Mampiavaka ny ATE, manao fifanarahana manokana ny sekoly sy ny orinasa handray ilay mpianatra. Miainga avy amin’ny filan’ny orinasa ny votoatin’ny fampianarana ka 60%-n’ny ora hianarana raha hiasana kosa ny 40% ambiny. Voafaritra mialoha ny asan’ ilay mpianatra ary raisina ho toy ny mpiasa mihitsy izy mandritra ny fotoana rehetra hijanonany ao. Sivy ny ivontoeram-pampianarana hampiharana ny ATE, ahitana ny INTH; Inscae, IST telo, lycée teknika telo, LTPGC Mahamasina. Hanombohana ny tetikasa ny lalam-piofanana BTP, fandraisam-bahiny sy ny fizahan-tany, ny nahandro (HTR) ary ny fandraharahana. Nanome toky ireo mpikambana amin’ny sehatra tsy miankina, omaly, fa vonona hanohana ny tetikasa satria tsy ampy ny teknisianina manana fahaiza-manao ho an’ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny, ny taotrano ka ilaina ny fametrahana ny ATE.
Vonjy A.